Alarobia 22 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21 — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin'ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin'ny Ranao.

0 : 00

Tamin’ny alalan’ny Zanany maty teo ambony Hazofijaliana no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavana antsika olombelona sy nanolorany antsika ny Famonjena dia ny hahazoan’izao tontolo izao ny famelana. Io Zanany io mantsy no fanomezan’Andriamanitra ho antsika olombelona ka ny fahatongavany ho nofo sy ny fiainany teto an-tany ary ny iraka nataony dia fanehoan’Andriamanitra izany fitiavany izany.

Tian’Andriamanitra ho voavonjy isika olombelona, hanana ilay fiainana ao Aminy ka nomeny ny Zanany, hizara amintsika io fiainana ao amin’Andriamanitra io. Ary ny hafantarana fa miaina izany isika dia raha miombona Aminy amin’ny fotoana rehetra, raha manao ny sitrapony fa indrindra raha mijoro ho fahazavana eo anivon’ireo manodidina antsika.

Meteza hiara-mandresy amin’i Kristy ka hanorina fiainam-baovao miaraka Aminy. Mba ho Paka lalandava no iainatsika amin’izao andro diavintsika izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...