1 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)

Niseho ity tantara ity taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesoa, dia Izy hikatra ho any Jerosalema, izay tanàna hanatontosany ny famonjena antsika. Nandefa iraka Izy hialoha Azy, hanomana ny fandraisana Azy. Tsy noraisin’ny olona tany ireo iraka ireo rehefa niditra tao Samaria, tananan’ny tsy mpino, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Maneho antsika olombelona tsy mahay mandray ireo irak’Andriamanitra izany. Ka tsy miraharaha ny mpaniraka isika, rehefa tsy mandray iraka, mazava ho azy. Mbola mitombona izany ankehitriny. Ny Eglizy aza moa amin’izao fotoana izao maniraka ny mpandraharahany hivoaka ny trano Eglizy, tsy hiandry mahazo toa fasana fa hanatona ifotony, eny hatramin’ny isan-tokantrano aza. Fa misy tsy te handray azy ireny satria tsy te ho tenenina fa mbola te hijanona anaty toe-pahotana mahafaty, toy ny tokantrano maso, na koa mbola variana amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao ka manakalo azy Andriamanitra amin’ny zavatra hafa toy ny vola na harena na lalao, hany ka tsy miroso amin’ny fandraisana sakramentan’ny mariazy na tsy misy sampoana tsy hirosoana aza, na koa tsy mandeha mivavaka, tsy miditra any an-dEglizy. “Ny mpanao ratsy ihany tokoa no mahana”, araka ny fiteny. Mazava ny namaranana ny Evanjely teo: “Ny Zanak’olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.” Koa adidin’ireo iraka rehetra aty aoriana ny manatanteraka io nataon’i Jesoa io, mitady ny fomba rehetra hamonjena ny olona fa rehefa ny olona mihitsy moa no tsy mety vonjena, malailay fonosana, dia akory atao? Fa etsy andanin’izany, tsy vitsy ireo milaza ho nirahin’Andriamanitra ka mitetitety trano etsy sy eroa milaza fa mitory an’i Jesoa hoe! Misy amin’izy ireny anefa zavatra hafa mihitsy ny alehany any ka mila mitandrina ihany isika eo anatrehan’izany.

Manaraka izany, rehefa nahita izany ireto mpianatra vitsivitsy: Jakoba sy i Joany dia maika ery izy ireo ny handrava ka tonga hatramin’ny handatsa-baratra. Loza izany! Soa fa nahitsin’i Jesoa izany ka nanamafisany fa tonga hamonjy Izy fa tsy ny hamery. Fomban’Andriamanitra ny mamonjy sy mamindra fo fa an’ny olombelona kosa ny mandrava sy mamery. Dia aza mijanona fotsiny amin’ny an’ny olombelona satria isika efa vita Batemy ka efa tonga kristianina koa aoka handroso kokoa hanahaka an’i Jesoa amin’ny maha mpanara-dia Azy antsika: ezahantsika ampiharina amin’ny fiaintsika ankobanandro izay fisainany sy ny fombany. Ny vavak’i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely tsaroantsika izao hanampy antsika hiaina ny tena fitiavana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...