23 jona 2024 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Tamin’izany andro izany,
dia fanoharana maro no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny vahoaka.
Ary nony hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano”.

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô!
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia”.

Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...