16 jona 2024 — Alahady Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Ry kristianina havana; fanoharana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Evanjely anio. Fanoharana moa no entin’i Jesoa mampita lesona satria izay no takatry ny olona, izay no ahafahan’ny olona misafidy hanokatra ny fony handray ny fampianarana na tsia. Manan-tsafidy manko isika na hino na sanatria handà; tsy azo atao amboletra na an-tery ny finoana fa misy safidin’olombelona koa.

Asan’Andriamanitra manontolo ny fahatongavan’ny Fanjakany: efa napetrak’Andriamanitra ao izay rehetra hilaina hampitsimoka sy hampitombo io fanjakany io ary tsy misy mahasakana izany. Tahaka ny voa afafy mihitsy tokoa: tsy ampiana zavatra hafa akory ao anatin’ilay voa afafy fa efa ao aminy izay rehetra ilainy. Misy asan’olombelona koa anefa ao dia ny mikarakara ny tany, ny manisy zezika sy ny manondraka. Efa ataon’Andriamanitra izay rehetra ilaina fa anjarantsika sisa. Raha adika amin’ny fiainantsika dia izao: ny voa afafy dia ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fahasoavana sesehena omeny antsika; ny tany amafazana dia ny fontsika; ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana no toy ny rano anondrahana azy.

Ny fitokisana an’Andriamanitra no tena tiana holazaina koa. Afafy ny voa, dia miandry am-pitokisana. Tsy araka ny lojikan’olombelona manko ny fizotry ny fahavokarana fa araka ny fomban’Andriamanitra: kely eo am-panombohana fa lehibe rehefa mitombo; marefo eo am-pamafazana fa matanjaka sy mahefa be rehefa mamokatra. Dia toy izany ny Eglizy: i Jesoa sy ny mpianany irery no nanomboka, fa mahenika izao tontolo izao ankehitriny. Aoka ary hatoky an’Andriamanitra isika: miasa am-pitoniana sy am-pinoana dia miandry amim-paharetana sy am-pitokisana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...