Zoma 20 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

0 : 00

Ny lalana dia natao hampirindra ny fiaraha-monina ary aro fanina. Maro ireo lalana natao hotandreman'ny vahoaka Jody, hiainany isan'andro. Eto kosa, nofintinin'i Jeso amin'ny lafiny roa ihany izany, dia ny fitiavana an'Andriamanitra amin'ny fo, ny saina, ny fanahy manontolo ; ary ny fitiavana ny namana tahaka ny itiavana ny tena. Koa io fitiavana io no hitsarana antsika amin'ny andro farany. Io fitiavana io no mandavorary ny fiainantsika ka mahatonga antsika hanahaka Ilay Andriamanitra Fitiavana.

Na ity Mpanora-dalana nanontany an'i Jesoa ity aza dia niaiky fa ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no fototry ny lalana rehetra. Nolaizain'i Jesoa fa tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra izy noho izany fanambarany izany. Tsy hoe efa ao anatin'ny fanjakan'Andriamanitra izy fa efa akaiky, efa mahafantatra ny tokony atao mba hidirana ao anatiny ; satria koa tsy ny fahaizana tsianjery ny lalana no hahatafidirana amin'ny fanjakan'ny Lanitra fa ny fiainana azy mivaingana sy azo tsapain-tanana.

Takiana amintsika amin'izao vanim-potoanan'ny Karemy izao, ankoatra ny fitiavam-bavaka sy ny famolahan-tena, ny fanaovana asa fitiava-namana. Maro ireo olona manodidina antsika no mijaly, tsy ampy sakafo, lazoin'ny aretina. Mila ny fanampiantsika sy ny fitiavantsika izy ireny amin'ny alalan'ny fanampiantsika, ny fahafoizantsika, ny vavaka ataontsika ho azy ireny. Tenin'i Jesoa ny hoe : "Izay rehetra ataonareo amin"ireny madinika ireny dia Izaho no anaovanareo azy". Raha manao soa amin'ny namantsika isika dia i Jesoa no anaovantsika izany. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...