Talata 10 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12 — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho.

0 : 00

Fanetren-tena, firahalahina, hatsaram-panahy : izay raha fintinina ny fampianaran'i Kristy nambaran'i Masindahy Matio tamintsika teo. Melohin'i Kristy ampahibemaso ny fomba fanao sy ny fihetsiky ny Farisianina sy ny mpanora-dalana izay mihatsara velatsihy. Maka ny toeran'i Moizy, nefa tsy manatanteraka izay sitrak'Andriamanitra akory. Ny fisehosehoana eto ivelany no masaka an-tsainy, fanarahan-dalana ambokony fotsiny fa tsy vokatry ny fo. Marina fa tsy maintsy arahana ny lalana, nefa mba ampifanarahana amin'ny maha olona fa tsy sanatria hitadiavana voninahitra na hamoretana ny hafa.

Mitaky fanetren-tena sy hatsaram-panahy tokoa ny fampiharana ny lalana araka izay fampianarana nomen'i Kristy antsika teo izay, ary aro fanina mihitsy aza izy ireny eny anivon'ny fiaraha-monina, fitaovana handrindra ny lamina eny anivon'ny maha olona eny. Koa manoro antsika izay tokony hatao i Kristy eto, indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny Karemy izao, mba ho mariky ny fibebahana tokoa ny fiainana azy ireny fa tsy sanatria ho fombafomba na fahazarana fotsiny.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...