11 jolay 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)

I Jesoa no Tompon’ny fiainana, tonga teto amin’izao tontolo izao mba hanasitrana sy hanafaka ary hanavotra ny fanahin’ny olona. Tsy manan kery Aminy mihitsy ny herin’ny ratsy. Amin’izany no anehoany ny heriny sy ny maha Mesia Azy na dia tsy mety manaiky izany aza ireo Farisianina izay mandà Azy tanteraka. Na eo aza izany dia tohiziny foana ny asam-pamonjena izay efa natombony satria tsy tiany mantsy ny olona ho voagezan’ny ratsy. Tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao tokoa eo amin’ny fiainantsika olombelona indrindra rehefa mino sy matoky isika. Izy irery ihany no Mpamonjy.

Ankehitriny dia betsaka tokoa ny olona mitady ny fiadanana anaty sy ny famonjena avy amin'i Kristy nefa tsy ampy ny olona hanampy Azy sy hiara-miasa Aminy. Mila olona vonona hitory sy hanohy ny asam-pamonjena nataony ho an’ny olombelona rehetra mantsy Izy mba hinoan’izao tontolo izao fa Izy no Mpanafaka sy Mpamonjy. Isika kristianina rehetra mihitsy no iangaviany amin’izany iraka izany ka tokony mba hiezaka haneho oha-piainana mifanaraka an’izany.

Mankalaza an'i Masindahy Benoît ny Eglizy anio, ilay Rain’ireo relijiozy mpitoka- monina izay mitady an’Andriamanitra ao anatin’ny fanginana sy miala ao anatin’izao tontolo izao. Izy ihany koa ilay mpiaro sy miady amin’ny herin’ny ratsy.

Tompo ô, aniraho mpijinja ny sahanao mba hamonjy sy hanafaka ny olonao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...