Zoma 10 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Mitohy hatrany ny fandehanan’i Jesoa any amin’ny tananan’ny tsy mpino. Eto dia fanasitranana lehilahy iray sady marenina no moana no nataony. Niandrandra ny lanitra izy sady nisento teo am-panasitranana ilay lehilahy: lanitra izay azo adika fa fitoeran’Andriamanitra Ray, izay nitalahoan’ny fampitomboana ny mofo sy ny fananganana an’i Lazara hiala amin’ny fahafatesana.

Azo ambara àry fa ity fanasitranana izay nataony ity dia fampisehoana ny herin’Andriamanitra ho an’ireo tsy mpino. Tsy ny Jody izay iray tanindrazana aminy ihany no tiany tsy voageza amin’ny fatoran’ny aretina fa ny olona rehetra mihitsy. Niaiky ny olona rehetra àry fa dia tsara daholo izay nataon’i Jesoa, hany ka niely hatraiza hatraiza izany lazany izany na dia efa norarany mafy ary izy ireo tsy hanambara an’izany. Ny tsara izay nataony mantsy dia tsy mba nilàny voninahitra na oviana na oviana satria ho Azy, Andriamanitra Ray ihany no nanokanany an’izany.

Tompo ô, afaho izahay amin’ny fatorana mangeja anay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...