Alarobia 19 febroary 2020 — Herinandro fahenina mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 22-26 — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana.

0 : 00

Manomboka miharihary ny maha Izy Azy an’i Kristy, ny maha Mesia Zanak’Andriamanitra Azy. Ireo mino sy mahatoky Azy eto no mitondra marary ary mangataka Aminy mba hanendry azy. Ny fanekeny hanasitrana ity jamba ity no maneho ny maha Izy Azy, tsy mihevitra afa-tsy ny hamonjy ireo mila vonjy. Tsy famonjena ara-batana fotsiny anefa fa fampianarana ihany koa ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe: “ny fahatanterahan’ny fandaharan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, Ilay manao ny asany amin’ny olona rehetra”.

Io dingana halalana marina an’i Kristy io no misongadina eto amin’ity fanasitranana an’ilay jamba ity, tantarain’i Md Marka anio ity. I Kristy izay tsy mpanasitrana na mpampiasa hery sy fahefana amin’ny marary fotsiny (Jo 9, 32), fa ilay Mesia andrasana (Mt 11, 5), Ilay avy amin’Andriamanitra (Jo 9, 33) ary fahazavan’izao tontolo izao, nanoro ny olona ny lalana mankamin’Andriamanitra.

Mila manatona an’i Kristy mandrakariva isika raha te hanatona Azy Andriamanitra, mila sitraniny amin’ireo aretim-panahy maro manakana antsika tsy hibanjina Azy, mila mandray Azy Fahazavana mba hampazava ny diantsika mizotra mankamin’Andriamanitra.

Jesoa ô, maro ny mahajamba anay eto an-tany ka misakana anay tsy ahitanao eo anivonay, maro ko ireo namana no hitanay fa jamba nohon’ny fitiavan-tena kanefa tsy sahinay entina eo anatrehanao. Koa meteza handalo ety aminay mba hanasitrana ny fonay ho afaka hitia Anao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...