Zoma 31 janoary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 26-34 — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.

0 : 00

Fanoharana roa samy hafa nefa iray ihany no entin'i Jesoa hanambarana ny Fanjakan'Andriamanitra. Voalohany, ohariny amin'ny asan'ny mpamboly, mamafy ny voa amin'ny tanim-boly. Ny voa eto no Fanjakan'Andriamanitra, kendrena hamokatra ao am-pon'ny olombelona. Ny mpamafy dia i Jesoa. Izay nafafin'Andriamanitra ao am-pontsika dia tokony hitombo tsikelikely ary hamoa be. Ao am-pontsika olombelona no Fanjakan'Andriamanitra, miara-monina amintsika Izy raha misokatra ho azy ny fontsika. Izy no mampahavokatra izay rehetra nafafiny, isika kosa ho tany lonaka hanala ireo rehetra mety hiteraka ny haitany ao am-pontsika ka hahatonga azy ho efitra tsy handray ny sitrapon'Andriamanitra.

Faharoa, dia noharin'i Jesoa amin'ny fitomboan'ny voantsinapy ny Fanjakan'Andriamanitra, kely kanefa rehefa nafafy ka nitombo sy nihalehibe dia tonga toerana mamelombelon'aina ho an'ny manodidina azy. Ilay voa nafafy ao am-pontsika olombelona, ny Fanjakan'Andriamanitra, tsy natao ho an'ny tena ihany fa ivelomana indrindra ihany koa ho an'ny hafa; mba hahita fitsaharana noho ny fiveloman'ny tsirairay ny finoana ny hafa mpiara-belona amintsika. Izany no Fanjakan'Andriamanitra: tsy mialon-jafy ary tsy mizaha tavan'olona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...