Talata 1 marsa 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 28-31
"Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao." Nametra-panontanina mahakasika ny fiainany ireto mpianatra. Ary fanontanina tsotra maneho tanteraka ny maha olombelona nofo aman-drà. Anaisan’ny ahiahy mbola mahazo antsika krisitianina ankehitriny ihany koa ity ahiahy nahazo ny mpianatr’i Jesoa ity teo am-panarahan-dia azy. Isika ihany koa eo am-panantaterahana ny adidy masina izay ataontsika, izay adidy entina hanompona ny hafa, dia mipetraka ny ahiahy hoe inona re no mba ho anajaranay eto am-panantaterahana ity adidy masina ity ?
Amin’ny maha olobelona antsika dia mitady vokatra avy hatrany isika. Nefa eto i Jesoa dia mitarika ny saintsika handeha lavitra : "lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy ny tenany hanampina ny hafa ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy."
Te hampahatsiahy antsika i Jesoa androany, fa ny lovasoa tsara indrindra tokony andrasantsika dia ny fiainana mandrakizay. Ka eo am-piandrasana izany lovasoa tsara indrindra izany, dia tsy hoe voaozona hiaina ao anaty fahatrana fa tokony hiaina amin’ny fiainana antononiny maneho ny fahamendrehantsika feno, mendrika eo anatrehan’Andriamanitra isika tsirairay avy. Noho izany dia mangataha mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra mba tsy ho ny harena sy filany no mameno ny fo amam-panahantsika fa ny fitiavana ilay Ray mpanome ka vonona ho tia Azy mandrakariva sy hitondra ny teniny ka afaka hanampy ny hafa amin’ny fahafoizan-tena feno fitiavana.