24 desambra — I Masimbavy Adèle na i Adela de Pfalzel dia niaina tamin'ny taonjato fahavalo. Ny mpanjaka Dagobert II no rainy. Nanambady an'i Odon izy ary niteraka an'i Albéric. Io Albéric io no rain'i Grégoire d'Utrecht, ilay mpianatr'i Masindahy Boniface.

Nanana ny toerana maha izy azy tokoa teo amin'ny fiaraha-monina i Adèle, satria andriana ny fianakaviany, ary tamin'ny didy miafina nataony no nahalalana izany tetiarana izany. Rehefa maty ny vadin'i Adèle dia niditra tamin'ny fikambanan-drelijiozy izy, ka nanorina trano fitokana-monina tao Pfalzel, diôsezin'i Trèves. Azy ihany io tany nanorenany trano io, ary izy no voalohany nitantana izany trano fitokana-monina izany. Izy ihany koa no nandray an-tanana ny fanabeazana an'i Grégoire, ilay zanak'i Albéric. Tsy foin'i Adèle io zafikeliny io, nefa vao dimy ambin'ny folo taona monja i Grégoire, no nandalo tao amin-dry zareo i Masindahy Boniface ka nanaitra ny antson'Andriamanitra ho misiônera tao amin'i Grégoire. Izay no nahatonga an'i Grégoire ho mpitory ny Vaovao Mahafaly nanerana an'i Allemagne. Marihana fa niely izny lazan'ny toe-panahin'i Adèle tamin'ny fitiavam-bavaka sy ny fanabeazana ny zafikeliny izany, ary nohajain'ny olona fatratra izy tao amin'ny toerana nisy azy.

Fa tsaroana amin'izao andro izao ihany koa i Masindahy Charbel Makhlouf.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...