11 mey — I Masimbavy Estelle dia romanina ny rainy ary légat tao Saintes. Niana tany amin'ny taonjato voalohany tany izy io. Rehefa avy nihaino ny fampiananran'ny Masindahy Eutrope izy, eveka voalohany tao Saintes, dia nangataka atao batemy ary lasa mpianany.

Nolaviny ny rendrarendra sy ny voninahitr'izao tontolo izao. Rehefa tsy nety nandà ny finoana izy dia ny rainy ihany no namono azy, nanao izay fara heriny mantsy ny rainy mba hialan'i Estelle tamin'ny fivavahana kristianina, sy hivadika amin'ny toky nomeny an'Andriamanitra fa hitana ny fahavirijiniana, tsy nanaiky anefa i Estelle. Rehefa tsy nahomby ny fandresen-dahatra nataon-drainy, dia izy mihitsy no nanapaka ny lohany tamin'ny famaky. Nalevina tao akaikin'i Md Eutrope i Estelle. Ny taona 1655 no nambara ho martiry, tao amin'ny boky fivavahana, tao amin'ny trano fitokana-monina Md Eutrope, ny anaran'i Estelle, ary nohamarinin'i Mgr Thomas, eveka tao Saintes tamin'ny taonjato faha-19 izany. Voalaza fa taloha dia izy no noraisin'ny tanora ho mpiaro azy.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...