Ny katesizy dia mizara efatra lehibe, ary taorian'ny Konsily Vatikana-II no nandrafetana azy. Ny fizarana voalohany dia ny miresaka ny zavatra tsy maintsy inoana momba an'Andriamanitra, ny Trinite Masina, ny maha Mpahary ny Ray, ny fahatongavana ho nofo, ny fanavotana ary ny fitsanganan-ko velona, ny niakaran'i Jesoa any an-danitra, Jesoa Mpitsara, ny fisian'ny fanahimasina sy ny fiombonan'ny olomasina ; ny faharoa dia mampianatra ny "tsy maintsy atao mba havoavonjy"...

Isan'ireo tsy maintsy atao ny fanajàna ny didin'Andriamanitra sy ny didin'ny Eglizy, fitsipi-pitondrantena satria tsy ampy hahavonjy ny olona ny fahavitana Batemy. Anatin'io fizarana io ny fiainana ny Sakramenta fito, fanajana ny litorjia mandavan-taona sy ireo fombafomba fanaon'ny Eglizy ; eo koa ireo "tsara ho fantatry ny Kristiana" amin'ny endriny famintinana. Marihana fa ilaina ny manana finoana, ary aoka tsy hitoky amin'ny olombelona fa kosa miaina sy mizara fitia ary manaja ny aina.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...