Isan'ny nampiavaka an'i Md Joany Bosco ny fikarakarana ny tanora amin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny lalao, finoana ary vavaka. Ny finoana katôlika dia manao zava-dehibe ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, ny fianarana mozika sy ny lalao isan-karazana, tanjona hitaizana ny vatana sy hikolokoloana ny saina. ireo dia fototra hametrahana ny fitsipi-piainana entina miahy ny fanindriana ny fo manoloana ny fahatezerana...
Ny fahatezerana dia isan'ny fahotana fito fototry ny hafa izay voasoroka amin'ny alalan'ny lalao sy vavaka. Ny tia vavaka dia mora mahafehy ny lalao ary tonga amin'ny fahaizana mifehy tena, ary mahakolokolo ny fifandraisana amin'ny olona hafa. Hoy I Md Stanislas scholastique dia tohizako ny lalao izay efa natomboko fa tsy hanao zavatra hafa aho ; ny lalao ihany koa dia vavaka raha atao miaraka amin'ny Tompo sy amim-pitiavana.