Ao amin'ny Jenezy 1, 28 " miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy". Ny hoe mitomboa maro dia midika ho fiarovana ny aina ; ary ny hoe mizakà dia midika ho fizakàna ny tany amin'ny alalan'ny asa. Rehefa tsy an'asa ny olona iray dia tsy afaka ny hiaro ny aina satria ny olona noana dia tsy afaka hiaro ny aina. Nomen'i Jesoa kristy lanja ny asa nandritra ny fotoana nahavelomana satria ny 3 taona no nitoriany ny teny fa ny 30 taona teo alohan'izay dia natokany ho an'ny asa.

Tany Alexandrie i Jesoa no nisehatra tamin'ny asa tamin'ny fahazazany, fa noho ny feno 12 taona izy dia tao Nazareta. Ny lanjan'ny asa sy ny fahaiza-mintanana sy ny fampananan'asa dia adidin'ireo mpanan-karena sy ny tompon'andraikitra ara-pitondrana, indrindra ny famoronan'asa. Ho fampandrosoana ny tanàna sy ho fitaratra amin'ny resaka asa dia entanina ny fokonolona mba hanokana 1 andro isam-bolana hanaovana fikojakojana lalana sy foto-drafitr'asa, ary irina ny hampiasana ny hetra ho amin'ny tombontsoan'ny daholobe, indrindra ny famoronana asa.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...