Mpifankatia tia manao fizahan-tany i Setra sy Salohy ary tanjona manaraka ny ho an'ny Manambato, izay toerana mahasondriana anefa tsy lavitra an'Antananarivo. Mpinamana tsy mifankafoy i Onja sy Setra ary isan'ireo mpankafy fiainana sy rendrarendra. Tsy mitsahatra mifandoka ary mifampitory fitia i Setra sy Salohy, milaza samy tia ; na efa manambady aza i Setra dia tsy nahasakana an'i Salohy hitia azy io zava-misy io. 

Nahatsiaro fahasambarana i Nofy rehefa nandeha nitsangatsangana niaraka tamin'i Aly. Nifankatia izy roa kely anefa ny renin'i Nofy dia nisakana hatrany ny fiarahany. Nifanome toky ny hifankatia anefa izy roa, eny hatrany ambadiky ny fahafatesana. Ramatoa Valérie, renin'i Nofy sy Jenny dia samy nanomana teti-dratsy handravana ny fiarahan'i Nofy sy Aly. Zanak'olona mpanao pôlitika i Jenny ka maika nandrisika an'i Ramatoa Valérie hanao ny ezaka rehetra hampivady an'i Nosy, zanany sy i Jenny

Zazavavy kely teraka tao amin'ny fianakaviana iray Hélène, izay teraka volana mey, volana an'i Masina Marie. Lénah no niantsoana an'i Hélène izay niavaka tamin'ny zanaky ny ray aman-dreniny, ohatra tamin'izany ny nahavitan'ity zazavavy kely ity nanolo ny lovia novakiany, teo koa ny nahavitany nanoratra tantara rehefa noraran'i Sophie reniny tsy hamaky boky. Zazavavy kely tia mihantra ny tsy manana sy ny sahirana izy, ary tia mialavoly anefa koa tia fianarana. 

Tovovavy iray anatin'ny olana i Mendrika, rehefa nahazo antso miafina avy aminà fikambanana mampiely fanahy ratsy, ary Toky no sendra azy, rehefa nitanondrika tao anatin'ny olana lalina iry voalohany. Tsikaritr'i Rina ny fihetsika nataon'i Toky nanoloana an'i Mendrika ary nahatonga hasarota-piaro an'i Rina izany, ary rafitr'ady izy roa vavy. Rehefa nifanazava teo izy telo dia nazava ihany ny anton'ny fihetsika hitan'i Rina, ary nanolo-tena hanampy an'i Mendrika, izy roa. 

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...