Mpinamana niara-nianatra tany Antananarivo i Tovo sy Dera ary Seheno, nampan-kevitra ny hiala sasatra any amin'ny toerana niavian'i Dera izay misy ny ray aman-dreniny. I Dera sy Seheno dia mpifankatia ary manana fikasàna ny hivady. Noraisin'ny ray niteraka an'i Dera tamin'ny hafaliana izy telo mianadahy. Nisaram-panambadiana i Tovo, naneho fahavononana hanampy azy amin'ny fitadiavam-bola hivelomana ny rain'i Dera, ary nanampy azy koa ity farany.

Nantsoina hoe "Edena" ny anaran'ilay tanàna satria nifankatia sy nahay nifanampy ny olona tao, nilamina ny tanàna, feno arena ankibon'ny tany : volamena sy vatosoa ; anefa nisy ihany ny olona nanana toetra ratsy toy ny fialonana sy fitsiriritana. Mpinamana i Manjompiaka sy i Eva. I Manjompiaka dia olona mazava fo sy saina ary manana fahitana ; i Eva dia manana fanomezam-pahasoavana toy ny fitsaboana ara-boajanahary, anefa mbola naniry ny hifehy ny tanàna manontolo tamin'ny alalan'ny tehina miendrika menarana izay sampiny.

Nifamaly matetika i Nivo sy ny reniny, noho ny tsy fahafantarany ny ray niteraka azy. Niziriziry ny tsy hilaza ny momba ny rain'i Nivo ny reny niteraka azy. Nifankahita tamin'i Soa, teny an-dalana i Nivo, ka iry voalohany no nilaza fa zokin'i Nivo, nanazava i Soa fa iray ny rain'izy roa vavy dia ingahy Ravelosoa. Nampahafantarin'i Soa an'i Nivo fa manana zoky miisa 4 izy, nilaza moa i Soa fa misy ny boky nosoratan'i Ravelosoa, rain'izy ireo, mikasika ny tantaran'izy ireo, nisy sary ihany koa porofo.

Henintsoa sy i Fetra dia mpianadahy namita fianarana tany amin'ny toerana lavitry ny ray aman-dreniny. Arthur no anaran'ny olontian'i Henintsoa, io lehilahy io dia tera-tany vahiny. Nisisika ny hipetraka amin'ny villa iray i Henintsoa. Miadisaina ny amin'ny nanjavonan'i Zo fofombadiny i Fetra, i Santatra rahavavin'i Zo no nampahafantatra iry fofombadin'ny zokony ny mety ho antony tsy nahitana azy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...