Nifamaly i Rainibango sy Rabetokontany satria sarotra ny fitantanana ny rano hanondrahana voly sy tanimbary, tao amin'ny tanànan'Antsampanana. Nifampikasin-tanana izy roalahy ary naratra vokatr'izany i Rabetokontany, nitaraina tamin'i Ramatoa Ravero vadiny izy. I Rabetokontany no filoha mpitantana ny rano fanondrahana ny tanimbary, sady nifamaly matetika amin'ny mpikambana izy no nanodikodina ny volan'ny fikambanana. Nifampitory teny anivon'ny Biraom-pokontany i Rainibango sy Rabe.
Eo am-pikarakarana ny mariaziny i Njato sy Miangola, ary efa voazara ny fanasana ho an'ireo nasaina, iray volana mialoha. Diary sy Njato dia mpinamana akaiky ary niara-niaina tao Antsirabe ; nahavita fianarana tany Antananarivo i Diary ary nitady asa tao amin'ny Njato. Nisy boky fandalinana "Magie Noire" novakian'i Njato sy Diary tamin'ny mbola mpianatra teny amin'ny Lycée. Andriamatoa Fidy no ray niteraka an'i Diary, raha mbola teo am-piresahana izy mianaka dia naharay antso fa tra-doza i Njato.
Maty vao tsy ela ny renin'i Fitia, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra. Nihidram-bola tany amin'Ingahy Robert ny fianakaviny niatrehana ny fitsaboana ary very hevitra izy mianaka mba hamerenana izany. Nanapa-kevitra ny tsy hanohy ny fianarany i Fitia fa hanampy ny rainy. Niasa tao amin'i Ramatoa Vola, nanao ny asa fanadiovana sy fakana rano ary ny fanasan-damba.
Naly sy Tefy ary Bakoly dia mpinamana tsy mifankafoy. Tefy sy Bakoly dia mifankatia anefa noraran'i Rain'i Bakoly ary nibedesany an'izy roa mafy, niafara amin'ny fikampohan'ny rainy an'i Bakoly. Sarindra sy Fanja dia mpinamana ihany koa ary misedra olana tahaka an'i Tefy sy Bakoly. Raiki-pitia tamin'i Fanja i Tefy ary niezaka nitady hevitra rehetra hampivelarana ny fifankatiavany.
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco