Nametraka didi-pananana i Rabeza, nialohan'ny nahafatesany ka nomeny an'i Fara zanany vavy daholo ny fananana rehetra. Renikelin'i Fara i Ramatoa Selesy Nogiazan'i Raselesy ny fananana rehetra, izay lovan'i Fara avy amin'ny rainy, tsy nampahafantariny an'i Fara ny fisian'ny didi-pananana, ity farany rahateo mbola tsy ampy taona. Nifankatia i Leva sy Fara, nampifilafila an'i Fara hatrany anefa i Leva. Naneho toetra ratsy an'i Fara isan'andro i Raselesy...

Anatin'ny fikambanan-jiolahy no misy an'i Sedra sy i Feno ; avy nanafika toerana iray izy ireo ka niara-nisotro taminà bar. Manomana fanadinana i Mlle Lila ary miezaka mifantoka amin'izany, nandrisika azy hianatra mafy i Vola. Voadonan'i Sedra teny an-dalàna i Lila ary latsaka ka simba tamin'izany ny findainy, nampiresaka azy i Sedra ary nifanakalo laharana finday izy roa. Rehefa tafahaona i Vola sy Lila dia nifampitantara ny fanafihana sy vakin-trano teo akaiky teo, izay asa ratsy nataon'i Sedra sy ny namany...

Vavolombelona nanatri-maso ny fanafihana nataonà jiolahy i Lanto sy Frank, ary nohenjehan'ireo jiolahy ireo ry zareo mba tsy hampivoaka ny tsiambaratelon'ny fanafihana. Nifanena tamin'i Lanto ilay jiolahy nanenjika azy indray hariva iny ka tsaroiny ilay endrika, tadidin'ilay lehiben'ny jiolahy ihany koa anefa i Lanto ka narahiny indray...

Zanaka vavitokan'ny Reniny i Felana ary efa kamboty ray. Nianatra tao amina lycée iray tsy dia lavitra ny tanàny i Felana, nanana namana roa izy dia i Njaka kilasy famaranana sy i Rova première mitovy amin'i Felana ihany. Tsy mba nifankafoy fa niaraka teny foana izy telo mianadahy, nifanampy izy telo raha nisy lesona na fanazarana tsy hain'ny iray. Nisy fotoana i Njaka nandeha naka ny bokiny nindramin'i Felana, hitan'ny renin'i Felana izy tamin'io ary teo no nipoiran'ny fanirin'i Ramatoa Rasera hitivan'i Felana an'i Njaka izay tovolahy hendry sy tsara tarehy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 jolay 2024

♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...