Loza mitatao ho an'ny fambolem-bary eto Madagasikara ny aretim-bary ateraky ny bakteria ka mila ny fiaraha-mientan'ny mpisehatra rehetra ny ady atao aminy. Miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny ny aretina malazo ravina na ny BLB sy ny aretina tsipika amin'ny ravina na ny BRS raha toa ka ny volana desambra 2019 no nahitan'ny mpikaroka voalohny azy teto Madagasikara.

Efa ahitàna azy ny any amin'ny Faritra Diana, ny eto Analamanga, ny any Vakinakaratra, Alaotra Mangoro, ny Faritra Androy sy Taolagnaro ary ny any Menabe. Loza mitatao ho an'ny fambolem-bary anaty rano, ny saka maina, ary an-tanety rehefa tena mafy ny aretina. Mety mihoatra ny 70% ny fahaverezam-bokatra ho an'ny aretina malazo ravina ary eo anelanelan'ny 15% hatramin'ny 20% ho an'ny aretina tsipika amin'ny ravina arakaraka ny karazam-bary sy ny toetr'andro.

Aretina avy any ivelany, tany Azia, niditra teto Madagasikara ny malazo ravina na ny BLB. Mbola mamantatra ny toerana ahitana ny aretina ny mpikaroka amin'izao fotoana izao hoy Dokotera Raveloson Harinjaka, mpikaroka ao amin'ny FOFIFA Antsirabe.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...