Voalohan’ny volana jona, andro eran-tany hoan’ny ronono. Mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny malagasy ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny, raha mitaha amin’ny mponina atsy Afrika sy any Eraopa. Ronono 16 litatra isan-taona no fanamby apetraka hosotroin’ny malagasy iray raha toa ka 40 litatra isan’olona atsy Afrika ary efa mahatratra 200 litatra isan’olona kosa any Eraopa...

Mametraka lokan’ady hampitombo izay fanjifan’ny malagasy ronono izay sy hanatsara hatrany ny kalitaon’ny vokatra ny ministera mpiahy sy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB ary ny mpiara-miombon’antoka aminy. Nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ny andro eran-tany hoan’ny ronono, mba anentanana ny malagasy anjifa ny ronono sy ny vokatra avy aminy.

Hetsika voalohany nankalazana izany andron’ny ronono izany ny fanentanana ny mpianatra tao amin’ny EPP Ambohimiandra, boriborin-tany faharoa, Antananarivo Renivohitra ny amin’ny voka-tsoa entin’ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy amin’ny maha sakafo ara-pahasalamana azy. Mpianatra 360 mahery no nisitraka izany niaraka tamin’ny don-kaopin-dronono tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa nanome voninahitra ny lanonana notarihan’ny ministra lefitra misahana ny fiompiana Dokotera Raymond, nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny andro eran-tany hoan’ny ronono hoantsika eto Madagasikara:

Hetsika faharoa nanamarihana ny andro eran-tany hoan’ny ronono androany hoantsika teto Madagasikara ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Foibe Coin Ma-tsiro fanangonana sy fivarotana ronono faha dimy eny Mandroseza ao amin’ny boriborin-tany faharoa Antananarivo Renivohitra.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...