Manohy ny dingana fampanaraham-penitra an'ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao aminy ny tambazotran'ny Mpampiofana momba ny Fambolena sy ny eny Ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Manampy an'ireo ivon-toeram-panofanana, ny mpampiofana, ireo tantsaha mpanao tolo-draharaha momba ny fanofanana ahafahan'izy ireo misitraka ny taratasy manamarina izay fananàny traik'efa izay amin'ny alalan'ny firosoana amin'ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny VAE ity rafitra ity ankehitriny.

Iankinan'ny ho avin'ireo Ivon-toerana fanofanana momba ny Fambolena sy ny eny ambanivohitra ny fanatanterahana ny VAE na ilay atao amin'ny teny frantsay hoe : "Validation des Acquis de l'Expérience". Miroso amin'ny dingana fivoizana azy io ankehitriny ny tambazotra FARMADA. Manome lanja ny traik'efan'ny tantsaha mantsy ny FARMADA hoy ny filohany Serge Merison.

Ireo mpikamban'ny FAR eto amin'ny Faritra Analamanga sy ny any Itasy no nisitraka ny fanazavana nataon'ny teknisiana ao amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'Asa momba ny tsara ho fantatra amin'izay VAE. Atrik'asa natao ny 04 mey 2023 ho an'ny eto Analamanga raha toa ka ny 03 mey kosa ny Faritra Itasy.

Resy lahatra ireo mpisehatra ao amin'ny FAR Analamanga, nanatrika ny fanazavan'ny teknisian'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'Asa, fa tena ilaina ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny "VAE", na ho an'ny tantsaha izany, na ho an'ireo manana fahalalana manokana momba ny lalam-pihariana ary ny tompon'andraikitry ny ivon-toeram-panofanana.

Hitohy any amin'ny Faritra hafa misy ny tambazotra FARMADA ny fanazavana ny momba ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny "VAE" ataon'ny teknisian'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'Asa.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...