Manao ny fivoriambe fanao isaky ny roa taona ny "Groupement Para Professionnels Vétérinaire de Madagascar" na ny GPPVM, ivondronan'ireo teknisiana niofana manampy an'ireo "vétérinaire" amin'ny fitsaboana sy ny fikarakarana ny biby eny ambanivohitra...

Fivoriana tanterahana eny amin'ny ISTS Mandrimena, Antananarivo-Atsimondrano ny alakamisy 16 sy zoma 17 desambra 2021. Rafitra ahitàna sokajin'asa miisa enina, ka voasolo tena mandritra io fivoriana io, ireo sokajin'asa ireo...

Ankohatra ny fandinihana ny momba ny raharaham-pikambanana dia maro ny zava-dehibe hifanankalozan-kevitra mandritra io roa andro io, hoy Andriamatoa Rasoavelomiandrisoa Donné, sekretera jeneraly.

Folo taona teo ho eo izao no nijoroan'ny GPPVM. Ahitàna ireo olona manana sokajin'asa "para-professionnels vétérinaire" manerana an'i Madagasikara saingy mbola vitsy no mivondrona ao amin'ity rafitra ity. Tsy misy afatsy 268 izy ireo no voasoratra anarana. Maro ny dingana efa nolalovana vao nijoro araka ny lalàna ny fisian'ny rafitra mifehy ny "para professionnels vétérinaire" eto amintsika hoy ny filoha lefitra, Rakotomahandry Jean Marie.

Mitàna anjara toerana lehibe eto amin'ny firenena ny "para professionnels vétérinaire". Izy ireo mantsy no tena mifanosona amin'ny tantsaha amin'ny fitsaboana biby eny ambanivohitra. Maro nefa ireo misandoka ny andraikiny ka izay no antony hamondronana hery anaty rafitra toa izao.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...