
Ny Ekipan'ny Radio Don Bosco dia mirary ho anao
feno hafaliana sy fiadanana ary fahasambarana
I Masindahy Lucien de Beauvais no ankalazaina ny 08 janoary. Nipoitra avy amina fianakaviana romanina i Lucien. Lucius mitovy amin'ny anaran-drainy no fiantso azy fa novany ho Lucien io tamin'ny fotoana nihainoany ny fampianaran'i Masindahy Pierre. Nitety an'i Italie izy nitory ny Vaovao Mahafaly.
♦ Olana ho an'ny tanàna maro eto Madagasikara ny fitombon'ny fako sy ny fiparitahany. Manimba ny endriky ny tanàna sy ny rivotra hiainana ny fako ka tsy vitsy ny mpitantana ny kaominina no mikaroka vahaolana hifehezana izany, ary isan'ireny ny Kaominina Antsirabe... ♦ Misy karazany miisa fito ny soka-dranomasina manerantany ary ny dimy dia hita eto amin'ny fari-dranomasin'ny ranomasimbe indiana, i Madagasikara dia ahitana maromaro, amin'ny faha-30 taonany vao afaka manaranaka ny sokatra...
Alarobia 6 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosorata'i Masindahy Marka 6, 45-52
♦ Volamena malagasy milanja 73,5 kg indray no tratra tatsy amin'ny seranaam-piaramanidina Johannesbourg Afrika atsimo. Mpandeha miisa 3, niainga teo Madagasikara no tompon'antoka... ♦ Nankatoa ny fampiasàna vaksiny fanefitry ny Covid-19, novokarin'ny laboratoara amerikàna Moderna ihany koa i Israel. Firenena voalohany nanome fahazoan-dalana hampiasàna io vaksiny io ivelan'i Amerika avaratra...
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.
Tohiny...Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.
Tohiny...Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.
Tohiny...© 2021 Radio Don Bosco