Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...

 

Antony roa no nanosika azy namokatra ny zezika kaompôsta. Vitsy ny omby eo am-pelan-tanany ka tsy mahatosika ny fambolena ilofosany ny zezika azo avy amin'ireo. Manararaotra ny zava-misy eny ambanivohitra koa izy.

Zezika azo avy amin'ny tontolo voajanahary misy eny ambanivohitra mantsy ny kaompôsta ; fampifangaroana ny ravi-kazo, ny fako-maina, ny zezi-pahitra. Mamokatra kaompôsta 15 hatramin'ny 30 sarety miankina amin'ny filan'ny taniny Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien. Misy tombony ny fampiasana ny kaompôsta ho azy.

Miankina amin'ny fikarohana sy fanatevenam-pahalalana no ahafahana mahazo kaompôsta tsara kalitao ka ahazoana vokatra tsara amin'ny fambolena. Mizara fahalalana ho an'ny tantsaha namany ihany koa Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...