Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tandremo fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo; ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...