Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe: ‘Ho avy ny orana’, ka avy tokoa izy; ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: ‘Hafana ny andro’, ka tonga tokoa izany. Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina? Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra."

[Miara-dàlana] Zoma 10 jolay 2026

• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...