Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho, ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady! Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo; ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin’ny rainy; ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny; ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy."

[Miara-dàlana] Zoma 10 jolay 2026

• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...