Tamin’izany andro izany, dia niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazany izy; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?" Ary hoy ny navaliny azy ireo: "Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana’. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo".
Ary niantso ny vahoaka nankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: "Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy, satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy".