Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’ Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy ny navalin’ny hendry azy: ‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’ Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’ Fa hoy ny navaliny azy: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’ Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora."