Tamin’izany andro izany, nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.

Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Tany efitra itý, ary efa hariva ny andro: koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra." Fa hoy i Jesoa taminy: "Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina." Dia hoy ireo taminy: "Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay." "Ento atý amiko izany", hoy Izy taminy. Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...