Tamin'izany andro izany, maro tamin'ny Jody no tonga tao amin'i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. Vantany vao ren'i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano. Dia hoy i Marta tamin'i Jesoa : "Raha tatý Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra Anao". Hoy i Jesoa taminy : "Hitsangana ny anadahinao". Fa hoy i Marta taminy : "Fantatro fa hitsangana izy amin'ny farandro fitsanganan'ny maty". Hoy i Jesoa taminy : "Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Nino izany va ianao?" – "Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak'Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin'izao tontolo izao".

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...