Tamin’izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe: "Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ho avy hanasitrana azy Aho." Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: "Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: "Andeha ianao", dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray hoe: "Avia ianao", dia avy Izy; ary ny ankiziko: "Ataovy izao", dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely. Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ny zanaky ny fanjakana kosa, dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify." Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny: "Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao." Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.
Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa, dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo, dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo, ary nitsangana nisarivý azy ireo izy. Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy, ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary, mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.