Tamin’izany andro izany, nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta, dia tera-dahy izy. Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany, fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. Fa niteny ireniny nanao hoe: "Tsia, tsy izany, fa hatao hoe Joany izy." Fa hoy izy ireo taminy: "Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao manana izany anarana izany." Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. Dia nangataka fàfana izy ary nanoratra hoe: "Joany no anarany"; ka gaga daholo izy rehetra. Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra. Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona rehetra izany. Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony, ka nanao hoe: "Ho inona re, ity zaza ity? Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo." Dia nitombo sy nihanahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an’efitra, ambara-pahatongan’ny andro hisehoany amin’i Israely.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...