Tamin’izany andro izany, niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka hoe: "Tsy ho azy ireto ihany no angatahiko, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao Aminao, ary mba hiray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika: Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomena Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho."