Tamin’izany andro izany, i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka nanao hoe: "Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao, fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao. Nanome voninahitra Anao Aho tetý ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô, ny manome voninahitra Ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao. Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy eo amin’izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy. Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy; satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy. Mangataka ho azy ireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo (fa Anao izay Ahy rehetra), ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho. Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao."