Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy." Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: "Atao ahoana no hahatonga izany?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va? Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay."

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...