Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany." Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: "Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no mihanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy itý: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao." Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary raha ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: "Moa manan-kanina eto va ianareo?" Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo." Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: "Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany."