Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.

Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: "Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy". Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...