Tamin’izany andro izany, nandeha ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe i Jodasy lskariôta nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona ka nanao taminy hoe: "Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?" Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. Hatramin’izay, dia nikendry izay hamadihana Azy izy. Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: "Aiza no tianao hamboaranay hihinanao ny Paka?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro." Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy. Teo am-pihinanana dia hoy Izy: "Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy." Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe: "Moa izaho va izany, Tompoko?" Dia namaly Izy ka nanao hoe: "Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika Ahy. Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny Zanak’Olona! Tsara ho azy ny tsy teraka." Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe: "Raby, moa izaho va izany?" Ka novaliany hoe: "Voalazanao."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...