Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa, dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka; ka nony efa roa ambin’ny folo taona i Jesoa, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo, ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo ho niaraka tamin’ny niray dia taminy izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosakma indray nitady Azy. Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy, nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izay rehetra nandre Azy, noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: "Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao." Fa hoy Izy taminy: "Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?" Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...