Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma. Nony re fa hoe tao an-trano Izy, dia nivory betsaka dia betsaka ny olona, ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza ; dia nitory teny taminy Izy. Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray, izay nolanjain’olona efa-dahy. Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy. Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay malemy hoe : "Anaka, voavela ny helokao". Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo, ka nanao anakampo hoe : "Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany ? Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?" Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy : "Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo ? Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe : Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy) : Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao". Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : "Tsy mbola nahita tahaka izany izahay".