Tamin’izany andro izany, nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa Izy nankany Galilea ; ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy Neftali ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe : “Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftali, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, Galilean’ny Jentily : ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.” Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe : “Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea ary avy tany an-dafin’i Jordany, no nanaraka Azy.