Tamin’izany andro izany, nisy nilaza ny Tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy, fa hoy i Jesoa: "Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana". Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?" Dia hoy i Jesoa hoe: "Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy‘ ary ‘efa akaiky ny andro‘, ka aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa mbola tsy ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany". Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: "Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana; hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. Fa alohan’izany rehetra izany ianareo, dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpitondra noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.

Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo".

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...