(M = Mpitantara ; V = Vahoaka ; J = Jesoa)
M. Nitsangana ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilaty, ary niampanga Azy toy izao:
V. Azonay nampiodina ny firenenay ilay io, sy nandrara tsy handoa hetra ho an’i Sezara, ary nilaza ny Tenany ho Kristy Mpanjaka.
M. Dia nanontany Azy i Pilaty nanao hoe:
V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao? Ka novaliany hoe:
J. Voalazanao.
M. Ary hoy i Pilaty tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny vahoaka:
V. Tsy hitako izay mahameloka io Lehilahy io.
M. Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe:
V. Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.
M. Nony nandre ny teny hoe Galilea i Pilaty, dia nanontany raha olona avy any Galilea Izy, ka nony fantany fa hoe avy any amin’ny tany fehezin’i Herôda Izy, dia nampanateriny tany amin’i Herôda, izay tao Jerosalema koa tamin’izany andro izany. Faly dia faly i Herôda nony nahita an’i Jesoa, fa efa ela no naniriany hahita Azy, noho ny fandrenesany Azy efa maresaka ery, sady nanantena izy fa hahita Azy hanao fahagagana. Nanao fanontaniana maro taminy izy, fa tsy namaly na inona na inona kosa i Jesoa. Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby ery niampanga Azy. Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray. Tamin’izay andro izay dia tonga nisakaiza tery i Herôda sy i Pilaty efa nifandrafy teo iny. Nasain’i Pilaty novorîna ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpifehy ny vahoaka, dia nilazany hoe:
V. Nentinareo taty io Lehilahy io, fa hoe mandrendri-bahoaka hikomy, ary efa nanadina Azy teo anatrehanareo aho, nefa tsy hitako velively izay helony amin’izay iampanganareo Azy. Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho aty amintsika izy, ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty. Koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Fa tsy maintsy mandefa mpifatotra iray ho an’ny vahoaka rahateo izy amin’ny andro fety. Kanjo indray niredona ny vahoaka niantso hoe:
V. Vonoy io, fa i Barabasy no alefaso ho anay.
M. I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy. Dia mbola niteny ihany i Pilaty, fa te handefa an’i Jesoa; nefa niantso mafy ny vahoaka nanao hoe:
V. Fantsiho! fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!
M. Fa niteny tamin’izy ireo fanintelony indray i Pilaty nanao hoe:
V. Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako izay heloka tokony hahafaty azy; koa hofaiziko Izy, dia halefako.
M. Nefa nikiry izy ireo niantso mafy nangataka Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ka nitombo nitombo ihany ny horakoraka. Dia nasain’i Pilaty natao izay nangatahiny; ilay notadiaviny ho afaka sy natao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy vonoana olona moa nalefany, ary i Jesoa kosa natolony hanaovany izay sitra-pony. Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa. Nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany Azy. Fa nitodika azy ireo i Jesoa nanao hoe:
J. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: "Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana". Amin’izay ny olona vao hilaza amin’ny tendrombohitra hoe: "Mianjerà aminay", sy amin’ny havoana hoe: "Saròny izahay"; fa raha toy izany no ataony amin’ny hazo lena, hatao ahoana amin’ny maina?
M. Ary nisy olon-dratsy roa lahy koa, nentin’ny miaramila, hiara-kovonoina amin’i Jesoa. Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy sy ireo mpangalatra ireo; ny iray moa teo ankavanany, ary ny iray kosa teo ankaviany. Dia hoy i Jesoa:
J. Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.
M. Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany. Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
V. Namonjy ny sasany Izy, ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy.
M. Ny miaramila koa naneso Azy nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe:
V. Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.
M. Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’NY JODY. Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
V. Raha Ianao no Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay.
M. Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe:
V. Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika, fa ny Azy kosa, tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.
M. Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
V. Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny Fanjakanao Ianao.
M. Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
J. Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao.
M. Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany, fa nihamaizina ny masoandro; ary rovitra nisasaka roa ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe:
J. Raiko! apetrako eo an-tananao ny fanahiko.
M. Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
M. Rehefa nahita ny zavatra niseho teo ny kapiteny dia nankalaza an’Andriamanitra, ka nanao hoe:
V. Tena olo-marina tokoa io Lehilahy io.
M. Ny vahoaka rehetra vory teo mba hijery koa, nony nandinika ny zava-niseho, dia lasa niverina nandondòna ny tratrany. Fa ny olom-pantatr’i Jesoa rehetra kosa dia nijoro teny lavidavitra ombàn’ireo vehivavy nanaraka Azy avy tany Galilea ka samy nijery izany.