Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etý an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia." Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: "Itý no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona. Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Dia hoy i Jesoa hoe: "Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy? Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy."