Tsy an-tery fa teraky ny fo sy ny saina, fitia te hanandratra ny kolontsaina maha Malagasy. Izay no antony nanosika anay eto amin'ny rdb ,hamerina indray ny fandaharana natokana ho an'ireo Mpanakanto. Mahazoa fahafinaretana ary eo am-pihainoana!

I Tovo j'hay no vahinin'ny SOA MIDITRA voalohany ,nisantatra ny fandaharana tamin'ny zoma 22 marsa.  Abel Ratsimba kosa  hatramin'izao fotoana anoratanay izay no mpanakanto zokiny indrindra ,nivahiny teto amin'ny rdb; efa 82 taona izy.

0 : 00

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...