Alarobia 12 aogositra 2020 — Herinandro faha-19 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20 — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

0 : 00

Misy toe-pahazarana raiki-tampisaka ao an-tsain'ny olona matetika eny amin'ny fiainana eny, dia ilay mati-kenamaso na mijery tavan'olona. Izay ilay fiaraha-monin'olombelona satria vitan'ny azafady fiainana ary dia tamoraina eny foana. Ny vahaolana mahomby naroson'i Kristy androany dia hoe : "Raha diso taminao ny rahalahinao, manatona azy ary asehoy azy ny hadisoany". Ny rahalahy dia ny namana akaiky, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiara-monina... Endriky ny fifanampiana ny fifanitsiana atao am-pitiavana, satria tsy misy izay olombelona tsy ho diso. Amin'ny maha olombelona dia tsy anjely, ary tsy Andriamanitra ka ho tonga lafatra.

Ny fepetra dia hoe, mba manaiky ahitsy rehefa misy zavatra tsy nety natao ka nahadiso teo anatrehan'Andriamanitra sy teo anatrehan'ny fiaraha-monina. Tadidio tsara fa matoa misy manitsy, misy manoro, misy mananatra, dia aza raisina ho fankahalana be fahatany fotsiny izany, fa mariky ny fitiavana, satria ny hendry ihany, hono, no hanarina. Ny fepetra faharoa, raha mahita zavatra tsy mety ataon'ny namana, dia sahia miteny, aza mijery harina an-tava ary aza manao vain-drahalahy tsy maharary, satria hoy i Kristy hoe : "Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny namanao". Ny fanitsiana sy ny fanoroana ny hafa, amin'izay tsy mety ataony, dia efa endriky ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Ry Jesoa Tomponay, tsy misy izay tsy ho diso eo amin'ny fiainana, satria amin'ny maha olombelona dia tsy lavorary. Izay vonona hivoa famindra no akasitrahanao, koa ampio izahay tsirairay avy hahay hifanampy hifampitondra toy ny mpiray tampo. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...