♦ Hoamasinina ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo amin'ny volana mey ho avy izao i Mgr Rakotoharisoa Jean Claude. Manasa ny vahoakan'Andriamanitra hanatrika izany ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hifarana anio ny fahafahan'ireo kandidà voahiliky ny OVEC hitondra fitarainana eny amin'ny CENI foibe. Hamoaka ny lisitra ôfisialy ny CENI ny faha-16-ny volana aprily izao... ♦ Nandrotsaka kandidà miisa 40 amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny antoko AREMA. Isan'ny kandidà nirotsaka any amin'ny distrika Mahanoro ny sekretera nasiônaly Annick Ratsiraka... ♦ Namerina ny antso efa nataony hisian'ny filaminana ao Ukraine, ny Tany Masina ary ny any Birmanie ny Papa François tamin'ny audience général...

♦ Nihazo an'i Morombe androany, ny delegasiôna avy any Toliara, hanatrika ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy, an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Naneho hevitra tao amin'ny onjam-peo iraisam-pirenena frantsay na ny RFI, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tsy mitombina ny fitsarana nataon'ny HCC, hoy izy... ♦ Nanolotra zezika 2.000 taonina, hamatsiana ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara, ny Governemanta Sinoa, tamin'ny alalan'ny Masoivohony miasa sy monina eto amintsika...

♦ Amin'ny zoma izao no tokony hivoaka ny lisitra ôfisialin'ireo kandidà ho solombavambahoaka isan-distrika. Tsy maintsy mametra-pialàna mialoha izay ireo ministra hirotsaka ho fidiana... ♦ Mitaky mangarahara ny Transparency International eto Madagasikara amin'izao fifidianana solombavambahoaka izao. Tokony hanana zo mitovy ny kandidà rehetra hoy izy ireo... ♦ Manahy tandrevaka amin'ny fanomanana ny fanadinam-panjakàna ny Vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. Efa nisy ny olana tamin'ny nandraisana ny fisoratana anaran'ireo mpiadina... ♦ Vahoaka an-tapitrisany maro omaly no afaka nihanoka ny fijerena "tako-masoandro" tany Etazonia, Canada hatrany Mexique...

♦ Tamin'ny ora faraparany omaly vao nanao tsy ombialoha ny fandrotsahana ho fidiana ho Solombavambahoaka teny anivon'ireo OVEC nanerana ny nosy... ♦ Nirotsaka ho fidiana any Ambatofinandrahana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa. Ministra 7 eo anivon'ny Governemanta ihany koa no kandidà ho solombavambahoaka... ♦ Niverina an-tsekoly indray ny mpianatra hiatrika ny roa volana fahaefatra, taorian'ny fialan-tsasatry ny Paka teo. Efa mamaramparana ny fandaharam-pianarana ny sekoly rehetra, mialohan'ny famerenana ankapobeny... ♦ Nitombo ny isan'ireo olona maty, vokatr'ilay faharendrena sambo mpanjono nitondra olona marobe tatsy Mozambika...

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...